4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fitiavana be - Mireille sy Rivo

                               FITIAVANA BE



Rivo:

Nomenao ho anjarako ny tsikitsikinao

Nomenao ho tantanako ny tananao

Toy ny tsy eto an-tany aho

Mamihina anao

Foinao ho ahy daholo

Ny tontolonao

Refrain: Fitiavana be no nomanao ho ahy

            Hasambarana ho anao sy ho ahy

            Fifaliana foana ny eo akaikinao

            Fiadanana, fiadanana feno

Mireille:

Nomenao ho ahy koa ny tambitambinao

Nomenao iankinako ny sandrinao

Raha sendra ny sarotra aho

Ianao no mpanohana

Raha tojo ny kanto aho

Ianao mankafy

Rerain..........



Rivo &Mireille:

Indraindray aho tsy akaiky anao

Nefa mitoetra ho ahy

Foinao ho ahy daholo ny mamy napetrakao

Toa tsy eto an-tany aho

mamihina anao

Foinao ho ahy daholo

Ny tontolonao

Refrain (Duo)

Partager fitiavana be

Commenter fitiavana be

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mireille sy Rivo